jeudi 5 février 2009

Chantages, corruption, désinformations, boucliers humains… tout l’arsenal du terrorisme déployé par TGV

« Aoka tsy hivaoka ny trano ireo vahiny rahampitso (04/02/2009) fa tsy fantatra mihitsy izay zavatra hiseho noho ny fahatezeram-bahoaka ». Izany no teny navoakan’i Andriamatoa Rajoelina tao anatin’ny kabary nataony ny alin’ny 03 febroary 2009, ho setrin’ny tsy fahafaliany noho ny fanendrena PDS ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Izany ve midika fa tsy afaka hifehy ireo olona antsoiny hivory izy (andininy 10 ny lalam-panorenana), ka atahorana indray ny fihoaram-pefy? Marihina anefa fa ny Mpitandro ny filaminana (EMMO/NAT) dia nanome toky ny fahavononan’izireo handray ny andraikiny ho fitsimbinana ny filaminam-bahoaka sy ho fiarovana ny aim-bahoaka sy ireo fananany (communiqué du 01/02/2009). Ny Minisitry ny Fiarovana koa dia mbola nanamafy izany tamin’ny kabary nataony tany Antsiranana sy Taolagnaro (TVM, vaovao, 03/02/2009). Tsy nisy koa tao anatin’ny fanambarana fanavahana na ho an’ny vahiny na malagasy. Voamarika izany fandraisan’andraikitra izany nanomboka ny alatsinainy lasa teo sy mandrakandroany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas