jeudi 5 février 2009

Valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara (05/02/09)



Tafaverina an-tanindrazana androany maraina ny delegasiôna notarihin’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara, iraky ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana, avy nanatrika ny fihaonana an-tampony faha-12n’ny vondrona afrikanina tany Addis Abeba (Ethiopie).
Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety avy hatrany, teny Mahazoarivo, ny Praiminisitra androany maraina nanazava momba ny iraka nataon’ny delegasiôna malagasy.

Nambaran’ny lehiben’ny Governemanta àry fa nohamafisina nandritra ity fivoriana tany Addis Abeba ity fa i Madagasikara no hampiantrano ny fihaonana an-tampony andiany faha-13n’ny Vondrona Afrikanina, ny 01-02-03 jolay ho avy izao.
Efa voafaritra rahateo ny lohahevitra hodinihina mandritra io fihaonana eto Madagasikara io : « Investir dans l’agriculture pour la croissance économique et la sécurité alimentaire ».

Nanterin’ny Praiminisitra tamin’izao valandresaka izao fa tsy misy fikambanana iraisam-pirenena, na iza na iza, mankato ny fakana fahefana ivelan’ny fifidianana.
Nambarany ihany koa fa ny pôlitika dia misy foana, fa ny firenena tsy maintsy mandroso.

Koa nisy ny antso avo nataon’ny Praiminisitra « ny amin’ny hijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena satria ny fitiavantanindrazana no lehibe indrindra. Aleo hoy ny Praiminisitra mifanome tànana amin’ny fanatontosana io fihaonana an-tampony faha-13 io, satria voninahitr’i Madagasikara izany, ary vonona hanampy antsika ny firenena rehetra ao amin’ny Vondrona afrikanina.

Mikasika ny toe-draharaha pôlitika eto amintsika, amin’izao fotoana izao, dia nambaran’ny lehiben’ny Governemanta fa ao anatin’ny filaminana sy fifandeferana no ahafahana miresaka hahitana vahaolana amin’izany.

Nohamafisin’ny Praiminisitra teo am-pamaranana ity valandresaka ity, ny fitaomana ny malagasy hifanome tànana sy hiara-hiasa ary hifanampy amin’ny fanatontosana ity fihaonana an-tampony faha-13n’ny vondrona afrikanina ity.

Nanotrona ny Praiminisitra tamin’ izao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny mahazoarivo izao ny mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas