jeudi 5 février 2009

Tanan-kavia sy havanana




Ao anatin’ny fanarenana ny fahavoazan’ny mponina tao aorian’ny savorovoro sy ny fandalovan’ny rivo-doza teto amin’ny firenena ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.

Ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, araka ny andraikitra tandrify azy, ny ezaka efa nataony ary ny fampanantenana nomeny dia tsy hikely soroka amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana mba hahafahan’ny zanantsika hanorina tsara ny hoaviny ary andray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Fantatra ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny eo anatrehan’ny fisondrotry ny vidin’entana na ny fanjavonany tampoka teny amin’ny tsena tao aorian’ireny zava-nisy nitranga teto amin’ny firenena ireny. Mba hanamaivanana izany fahasahiranana izany, sy ho fitsinjovana indrindra ireo tokan-trano simba fivelomana tsy fidiny, ary indrindra indrindra mba hahafahan’ny zanantsika hifantoka tsara amin’ny fianarany, dia hanome tohana ara-tsakafo azy ireo ny Ministera, amin’ny alalan’ny famatsiana vary ny cantines scolaires any amin’ny sekoly fanabeazana fototra.

Atao miandalana araka ny hamehana ny fanohanana ka natomboka ny 05 febroary 2009 teto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra sy ny foibe-paritry ny fanabezam-pirenena Analajirofo. Efa an-dalana ny faritra hafa.

Mba hanafainganana ny fizarana ny vary amin’ireo EPP dimy ambin’ny folo misy eto an-drenivohitra dia nizara ho ekipa dimy ireo Tale Jeneraly sy Talen’ny Ministera niaraka tamin’ny DREN sy ny Chef Cisco-n’ Antananarivo Renivohitra.

Hitohy isan-kerinandro izao fizarana vary famatsiana ny cantine scolaire izany ka vary 9 tonne isan-kerinandro no hizaraina eto Antananarivo Renivohitra.

Ireo toerana hafa nisedra fahasahiranana dia hahazo fanohanana ihany koa toy izay efa natao tany Menabe.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas