jeudi 19 février 2009

Ny voany no hamantarana ny hazo


Zazah: Hono ho’aho r’ise, ahoana ny hevitr’ise amin’ireto olona be dia be samy milaza fa irahin’Andriamanitra ireto, nefa mifanohitra ny zavatra ataony? Ny sasany aza tena mifanenjika mihitsy. Iza amin’ireo no arahina?

Fanilo: Tsy mahagaga izany r’ise a. Betsaka ny mpaminany sandoka izao.

Zazah: Ahoana ary no hahafantarako hoe ity olona ity dia tena Andriamanitra no miaraka aminy, ary ity anankiray ity kosa mpaminany sandoka?

Fanilo: Hono ho’aho r’ise, ahoana no ahafantaran’ise fa paiso io maniry eo an-tokontaninareo io?

Zazah: Ka paiso tsinona no mivoaka eo rehefa tonga ny fotoam-pahavokarana ka! Ise ity ko…

Fanilo: Dia mitovy amin’izay r’ise ny fanavahana ny avy amin’Andriamanitra sy ny sandoka a. Ny voany no hamantarana ny hazo. Izay avy amin’Andriamanitra dia ireto ny voa eo aminy: fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Izay mifanohitra amin’ireo dia sandoka.

Zazah: Na dia Pasitera aza? Na mpiandry aza? Na Môpera aza? Na Révérend aza? Na diakona aza? …

Fanilo: Na iza na iza, rehefa mifanohitra amin’ireo dia tsy ny fanahin’Andriamanitra no ao anatiny fa devoly sy satana.

Zazah: Oay… satana izany no mandoro sy mampandoro zavatr’olona sy fananam-bahoaka?

Fanilo: Izany mihitsy.

Zazah: Satana no mamono ny mpiray tanindrazana amin’ny afo?

Fanilo: Ye, sady satana koa no mibaiko ny olona handefa ny mpiray tanindrazana aminy hotifirina.

Zazah: Satana koa no mampihorohoro mba tsy hisian’ny fiadanana?

Fanilo: Ye, satana daholo no ao ambadik’izany. Dia izao koa r’ise a: ny devoly no rain’ny lainga.

Zazah: Ary taiza no nahafantaran’ise an’izany rehetra izany e?

Fanilo: Ao amin’ny Baiboly r’ise a. Miverena mamaky ny tenin’Andriamanitra, dia angataho ny Fanahy Masina hampianatra an’ise, dia hazava amin’ise ny lalan-kombàna.

Zazah: Misaotra r’ise fa tena ilaiko mihitsy izany.


Galatiana 5:22 “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po”.

Jaona 8:44 “Ny devoly dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga”

Hosea 4:6 “Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ny fahalalana”

Salamo 119:105: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny Teninao”.

2 commentaires:

  1. Marina izany fa izao no efa voalaza: any am-parany dia hisy Fanjakana hamely fanjakana, ny zanaka hanohitra ray aman-dreny. D ho an'i Zazah: na i Satana koa aza anie miantso sy miresaka amin'Andriamanitra e! Tsarovy ny tantaran'i Joba! Ary Satana koa anie ka mahay ny Tenin'ny Soratra Masina lavitra noho ny olona e!Jereo ny nakana an'i Jesoa fanahy tany an'efitra sns

    RépondreSupprimer
  2. inona no idiran'Andriamanitra @ resaka politika nareo ko to sinagogan'i satana

    RépondreSupprimer

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas